Revelation of John 8

1Rehefa novahan’ilay Zanak’ondry ny tombo-kase fahafito, dia nisy fahanginana tany an-danitra teo amin’ny antsasaka ora teo. 2Avy eo dia hitako ireo anjely fito izay nitsangana teo anoloan’Andriamanitra, ary nomena trompetra fito izy ireo.

3Nisy anjely hafa tonga, nitazona lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra, nitsangana teo ambonin’ny alitara. Ditin-kazo manitra maro no nomena azy mba hanolorany izany mbamin’ny vavaky ny mpino rehetra eo ambonin’ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra eo anoloan’ny sezam-boninahitra. 4Ny setrok’ilay ditin-kazo manitra, mbamin’ny vavak’ireo mpino, dia niakatra teo anoloan’ Andriamanitra avy amin’ny tanan’ny anjely. 5Naka ilay lovia fandoroana ditin-kazo manitra ilay anjely ary nameno izany tamin’ny afo avy eo amin’ny alitara. Avy eo natsipiny tamin’ny tany izany, ary nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany.

6Ireo anjely fito izay nanana ireo trompetra fito dia niomana hitsoka izany. 7Nitsoka ny trompetrany ilay anjely voalohany, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy tety an-tany izany mba ho may ny ampahatelon’izany, may ny ampahatelon’ny hazo, ary may avokoa ireo ahi-maitso. (Fanamarihana: Ny sasany amin’ireo dikan-teny taloha dia manala ny hoe: “mba ho may ny ampahatelon’izany.”)

8Nitsoka ny trompetrany ilay anjely faharoa, ary nisy zavatra toy ny tendrombohitra lehibe nirehitr’afo natsipy tany an-dranomasina. Lasa rà ny ampahatelon’ny ranomasina, 9maty ny ampahatelon’ny zava-manan’aina tao an-dranomasina, ary rava ny ampahatelon’ireo sambo.

10Nitsoka ny trompetrany ilay anjely fahatelo, ary nisy kintana lehibe nilatsaka avy any an-danitra, mirehitra toy ny fanilo, tamin’ny ampahatelon’ireo ony sy loharano. 11Zava-mangidy no anaran’ilay kintana. Lasa nangidy ny ampahatelon’ilay rano, ary olona maro no maty tamin’ilay rano izay lasa nangidy.

12Nitsoka ny trompetrany ilay anjely faha-efatra, ary niova ny ampahatelon’ny masoandro, toy ny ampahatelon’ny volana sy ny ampahatelon’ireo kintana. Noho izany dia lasa mainty ny ampahatelon’ireo; tsy nisy hazavana ny ampahatelon’ny andro sy ny ampahatelon’ny alina.

Nijery aho, ary nandre voro-mahery izay nanidina teny afovoan’ny lanitra, niantso tamin’ny feo mafy hoe: ‘”Loza, loza, loza, ho an’ireo izay monina eny amin’ny tany, nohon’ny feona trompetra sisa izay efa ho tsofin’ireo anjely telo.”

13

Copyright information for PltULB